Lavitra (Groupe AINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho indramiko kely ny elatrao
Ravorona iny, meteza ianao
Vetivety ihany aza matahotra ianao
Tsy ela tsy akory dia ho tongako aty

Any lavitra any izay havako izay
Te ahita ny endriny aho
Hampionona ny saiko
Tsy tantiko intsony ny alaheloko
Te hahita ny endriny aho

Hindramiko kely ny taratrao
Ramasoandro io, meteza ianao
Vetivety ihany aza matahotra ianao
Tsy ela tsy akory dia haveriko aminao

Any lavitra any izay havako izay
Te ahita ny endriny aho
Hampionona ny saiko
Tsy tantiko intsony ny alaheloko
Te hahita ny endriny aho

ouh ouh
Tsy tantiko intsony ny alaheloko
Te hahita ny endriny aho
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe AINA
Vangy : 1216
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Nosiklarita
Daty : 30/08/2016 10:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2537