Izany moa chérie (Groupe AINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Roy e mafy zalahy e
Izany manambitamby tiana safotra hatezerana
Roy e mafy koa raha mafy e
Izany mangata-pamelana sendra solafaka

Izaho tsy dia nanao an'iny ho fanahy iniana
Fa sangisangy ihany e, nataoko hanihany e
Izaho tsy dia nanao an'iny hisy sovenira
Fa hetsika nataoko handalo ihany

Roy o izany moa malala o
Aza atao mahatezitra abnao raha iny fihetsiko iny e
Fa izy e, izy tsy mahataitra e
Izaho tsty mbola nihova fitia fa anao doria

Izaho tsy mbola nivadi-belirano sanatria o
Fa mbola mankafy o ny eo anilan-dry
Ny foko ao anaty henoy izany feony mihantsa fitia e
Mamerovero anao cherie e

Aza mamilafila akia f'izaho mbola tia e
Aza ampijaliana ho'aho mifona aho aki o
Aza andosiranao aho za raha miantso hoe avia
Aza hiodinan-doha akia, izany moa cherie e

Oye, 'zany malala o
Tandritandremo ihany ny fitia fa mora miraraka
Oye 'zany zavavy o
Ny hasarota-piaro tafahoatra manimba ny fitiavana

Ny fiainan-dRaolombelona anie ka fankam-panahy
Tsy taitra fotsiny ihany e raha mbola eto ab-tany e
Ny fiainan-dRaolombeloha anie korontana lava e
Entian moramora io dia milamina

Aza mamilafila akia f'izaho mbola tia e
Aza ampijaliana ho'aho mifona aho akia o
Aza andosiranao hoa za raha miantso hoe avia
Aza hiodinan-doha akia, izany moa cherie e
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe AINA
Vangy : 1412
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Nosiklarita
Daty : 27/06/2016 10:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1596