Hiova fitàna (Groupe AINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Antananarivo dia be rendrarendra sy be siasia
Tsy hita ho raisina fa manahirana mampikodia
Indrindra ho antsika tsy dia misy atao nefa honina ety
Fa raha ny hevitra aloha dia tsotra ry nama aleo miala ety

Ny andro maraina mila tsy ho tody fa magnitsy
Ny trano koa tsy misy ny vatana reraka farofy
Mirenireny sy mivezivezy dia matory
Toy izany isanandro no iainana nama aleo mody

Ka hoy aho hoe:
Aleoko mijotso any ambany volo ho'aho raha mbola izao
Ny fiainana eto o
Mamafy, miompy, mandray angady aho dia tsy maintsy mihinana e
Aleoko mijotso any ambany volo ho'aho raha mbola izao
Eto iarivo dia reraka mihodinkodina vao homana e

Na dilpome na tsy diplome eto mihanahana
Mitsako tsy misy rehefa any an-trano raha ratsy filanaI
Ny hanina androany tadiavina androany ny ampitso tsy hay
Ndeha hatory aloha f'ampitso maraian indray milomay
Hitady an-dravola e

Aleoko mijootso any ambany volo ho'aho raha mbola izao
Ny fiainana eto o
Mamafy, miompy, mandray angady aho dia tsy maintsy mihinana e
Aleoko mijotso any ambany volo ho'aho raha mbola izao
Ny fiainana eto o
Eto iarivo dia reraka mihodinkodina sahirana vao homana eT
Ny ampela any dia tsy manahirana maro reo manja
Ry petra, ry bozy, zy ikala Grity ary koa ikala Fanja
Ny eto mampiesona mandrebireby sy manotra vola
Ny any tsy olana fa malabary dia miara-midola

Ka hoy aho hoe:
Aleoko mijotso any ambany volo ho'aho izao dia izao
Ny fiainana eto e
Mamboly miompy mandray angady aho dia tsy maintsy mihinana e
Aleoko miotso any ambany volo ho'aho raha mbola izao
Ny fiainana eto o
Eto iarivo dia reraka mihodikodina sahirana vao homana eT
Aleo ndeha hody e
Aleo ndeha hody e, eny re
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe AINA
Vangy : 1315
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Nosiklarita
Daty : 27/06/2016 10:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0739