TOMPO JESOA (Groupe AGAPE Mahajanga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo Jesoa vonjeo izahay ee !
(Tompo Jesoa vonjeo izahay ee !)
Mahantra lotra raha lavitra anao ôô !
Ka mitaraina aminao izahay e e !
(Ka mitaraina aminao izahay e e !)
Koa mba henoy re ny vavakay e e!

Jereo ry Jesoa tia, zahay be siasia
Tsy fantatr’izay atao, ka mangataka aminao eee!

Vonjeo zahay ee! (Vonjeo re ry Jesoa tia)
Tahio zahay e e! (Tahio re mba tsy hania)
Arovy mafy e e! Arovy mba tsy hianjera
Sao lavo ka mikodia, ka lasan’ny losifera

Vonjeo zahay ee! (Vonjeo re ry Jesoa tia)
Tahio zahay e e! (Tahio re mba tsy hania)
Arovy mafy e e! Arovy amin’ny tananao
Tsy ho azon’ilay satàna, fa ho tody amin’ilay kanàna

T&F: BERNARD Richard
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe AGAPE Mahajanga
Vangy : 840
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mamybernard
Daty : 18/10/2018 10:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1163