MISY FAMONJENA (Groupe AGAPE Mahajanga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Ianao izay miasa fatratra
Reraky ny entana mavesatra
Manantona an’I Jeso ianao ankehitrio
Ny helokao rehetra hosasany dia hadio

REF:
Misy famonjena tsy vidiana aty
Ho an’ireo rehetra mino an’I Kristy
Ka izay rehetra mety dia avia
Hiaraka amin’ny Kristy

2. Ianao izay mangetaheta fatratra
Tsy mba mety afa-po na tonga lafatra
Manantona an’I Jeso raha te ho sambatra
Izy ihany no mitondra fiadanana


T&F: BERNARD Richard
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe AGAPE Mahajanga
Vangy : 833
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mamybernard
Daty : 18/10/2018 10:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722