FITIAVANA AGAPE (Groupe AGAPE Mahajanga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Ho anao izay mandre izao hira izao
henoy tsara ary koa fakafakao
fitiavana avy amin’Andriamanitra
Ho antsika rehetra tsy hankanavaka

Diniho tsara sy mba saino ihany koa
Ilay fitiavany tsy manam-paharoa
Fitiavana voatokana ho ahy sy ho anao
No namonjeny izao tontolo izao

REF:
Fanomezana ho antsika rehetra anie
Hafa kely indrindra ‘lay Fitiavana AGAPE
Tsy atakalo na koa sandainà vola aman-karena be
Ambony indrindra ‘lay fitiavana AGAPE…

2. Ho anao izay manamafy fo
Jesosy anie tsy manao andolo-po
Tiany avokoa na rangahy na ramatoa
Zaza na tanora, avotany avokoa

T&F: BERNARD RICHARD
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe AGAPE Mahajanga
Vangy : 996
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mamybernard
Daty : 18/10/2018 10:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0794