TAPITRA HATREO (Green)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao no nanambara
Fa tsara raha faranana
Hivalona ho tantara ilay fiarahana

Tsy mety mino aho
Fa tapitra hatreo ny antsika
Atomboy ny fanahy
Nierikerik'reo sao mba tafita
Izaho ilay tsy nahafoy anao
Tsy misy azoko atao
F'efa izay no tapakao

REF :
Ianao no nanambara
Fa tsara raha faranana
Hivalona ho tantara ilay fiarahana
Ekeko raha tsy anjara
Ny hiaraka aminao
Mionona no tsara
Raha izay no sitrakao

Tsy maintsy hitraka aho
Hanadinoiko ny anaranao
Ny hoavy no jereko
Fitia moa tsy azo hifanerena
Izaho ilay mbola nankafy anao
Ny mionona no azo atao
Hanadino tsotra

REF :
Ianao no nanambara
Fa tsara raha faranana
Hivalona ho tantara ilay fiarahana
...

Tsy aiko aloha ny tena ao am-ponao
Fa ny ahy dia izao
Ho tsaroako foana ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Green
Vangy : 3899
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : benantonni
Daty : 24/04/2017 10:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0886