Lakana taratasy (Gilles RAMIARISON)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ilay lakana kely miendrika sambo lay
Ilay lakana kely kanto tokoa izy izay
Indro lasa ka tazàno fa misossosa tokoa
Andeha hitety rano, nefa ho aiza moa

Ref : Moa ve hitety onja
Lakan-kely kilalao
Taratasy tsotra monja
No nanaovana azy tao

Mizotra mba ho aiza ry sambo ny dianao
Hatraiza ka hatraiza, asa raha mba fantatrao
Fa kamory mahonena no tetezinao nefa re
Ianao toa manantena hitety ranobe

Mitranga ny angano asa raha loza tsy nahy
Fa indro voton-drano ny taratasy ry lahy
Dia indro fa nikoro sy mihilana ary injay
Tsy afaka mijoro, rava ny sambonay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Gilles RAMIARISON
Vangy : 1733
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 26/08/2018 11:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729