Embona ny lasa (Gilles RAMIARISON)

Mampanembonembona ilay andro lasa iny
Ilay namirapiratra feno haravoana
Ary lasa sy nandao navalon’ny fahiny
Hany mba napetrany embona sy fisentoana

Ary nentiny ireo hehy lavareny
Ireo hantahanta tanilan’i Neny
Dia nangina koa ireo hira nolalaina
Hira mamiko tsy afaka an-tsaina

Dia nilofika tokoa fa lavo koa ny fony
Andro tsy miverina, lasa tsy ho hita intsony

Dia niletononkira.serasera.orgfika tokoa fa takon-drahona any
Ilay namirapiratra feno hazavana
Fa ny fofony any zao dia levona sy lany
Lasa tsy maharitra ilay andro fahazazana

Mba nankaiza moa ireo hehy lavareny
Ireo hantahanta tanilan'ny Neny
Dia mangina ve ireo hira nolalaina
Hirahira izay mamin’ny saina

Dia nilofika tokoa fa lavo koa ny fony
Andro tsy miverina lasa tsy ho hita intsony


Tonony sy feony : Gilles Ramiarison

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Gilles RAMIARISON
Mpamaky : 58
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 13/09/2018 23:07:35
ID : 10935

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo