You are here: home > Tononkira > Getragetra

Indraindray (Getragetra)


Indraindray toa fifaliana
No mameno ny ao an-tratra
Indraindray toa fahoriana
No mikiky sy mandratra

Raha mbola eto an-tany
Tsy misy fiadanana
Fa angamba any ankoatra any
No misy ny hasambarana

Indraindray ny eo an-tànana
Mila tsy ho lany
Indraindray ianao tsy manana
MitaTsiky dia ampykiky hatrany hatrany

Raha mbola eto an-tany
Tsy misy fiadanana
Fa angamba any ankoatra any
No misy ny hasambarana

Indraindray ny fitiavana
Miroborobo toa tsy ho lò
Indraindray ny fitiavana
Mahavakivaky fo

Raha mbola eto an-tany
Tsy misy fiadanana
Fa angamba any ankoatra any
No misy ny hasambarana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Getragetra
Mpamaky : 153
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 16/03/2019 11:41:06
ID : 11483

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo