Avelao (Gee jose)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho heloko ve raha mba toa ka...
Haniry anao anjara ny fo ka...
Ho tsiniko ve raha mba mitaraina
Fa ny fisinao ny ahy no mba msoandro maraina
Haniry hitoetra akaikinao
Ka dia mba raiso re raha mba azo atao
Anilanao no masaka ato andoha
F'ianao hirery dia ampy iandrin'ny fo
Ref: avelao aho mba hitantana anao
fa tena tiko,tiko tsisy hoatr'izao
Ka lay fo tsika roa mitempo iray mitempo iray
Izay no dina ho mandrakizay
Raha tojo ady mafy hifanakindoha
Eny ho mpandresy isika roa

Tsy hoe rediredy sanatria
Na hoe te hananiany fitia
Tsy hoe haitratra fotsiny ihany
Na hoe teny antendromolotra izany
Fa tena vonona ny ho mandrakizay
Raha mba sitrakao ilay fo tsika ny ho iray
Ka raha mbola misy any ho any
Avelao f'ianao ve tsy leo mitomany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Gee jose
Vangy : 1583
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : tongasoa1
Daty : 29/03/2016 20:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731