Tsy hanambady aho (ft Narindra sy Princio) (GangstaBab)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
- Dada à! Hanambady aho!
* Hanambady ahoana ianao ???
- Hanambady aho kou !!
* Hanambady an'iza ianao e ?
- Non! bandy mbola tsy fantatrareo izy kà
* Hanambady lehilahy tsy fantatra?? Hanambady ianao dia tsy fantatray ny lehilahy ho vadianao??
- Ho avy eo izy haka anà dia mipetraka any aminy aho manomboka androany!!
* Ataoko angamba fa sangisangy zany zavatra lazainao zany e?

Non! Sérieux zany ka! hanambady aho!
Ho avy eo izy haka anà!
Efa poins, efa milamina
Efa mangotrangotraka
Efa masaka daoly ny zavatra rehetra e.


Anaka!!!

Tsy ny fitalakotrokotroky ny orana no hanamasaka ny vary mbola maintso
Tsy ny fijoalajoalan'ny hazo no hahaloaka ny lanitra
Tsy ny fahataitairana vetivety dia handeha hitetateta
Tsy ny famirapiratry ny zinga no hahafaka hetaheta

Ianao tsy hoe zanaka tsy tiana ka zara aza misy mangataka
Ianao tsy hoe zaza tsy omby trano ka ho atao sesi-dohalika
Fa sao mba sambasamba nahay taratasy, dia hanoratra tsy misy lafika
Sa herinandro nitànana basy, dia any Irak no handeha hanafika?

Sady ny mihinan-kena tsy fantatra anarana: mihinana amin'ny ahiahy
Mitafy lamba tsy lasam-bidy: mitafy amin'eritreritra
Mitari-bady tsy lasam-bodiondry: henatra eo amin'ny tany ama-monina
Voatavo tsy mifandraka handeha hanambady, olana eo am fiaraha-monina

Fantatrao ve fa ny vero no afa-mijoro, teny ierana avy amin'ny rivotra
Fantatrao ve fa ny jabo no azo tafiana, teny ierana avy amin'ny landy
Fantatrao ve fa ny lango no azo ohanina, teny ierana avy amin'ny vary
Ary fanambadiana no raikitra, teny ieranan'ny Ray aman-dReny
TSY MANAMBADY IANAO !

Hanambady aho, hanambady aho
Hanambady aho, hanambady aho
Tsy maintsy hanambady aho, hanambady aho
Hanambady aho, hanambady aho



Dàdà à! Efa hevitra tapaka ny ahy, lehibe aho dia mila namana
Ianao ary raha miondana mololo mikohaka, mbola zaza tamà-mionda-tànana
Aleo aho hahaleo tena e, aleo aho hikopak'elatra
Zaza tsy mahavita tena ve? dia handeha hilalao peratra?

Fantatro zay tokony ataoko e, zà tsy zazakely mandrakizay
Efa lasa ny fahazazana, zà mila lehilahy amin'izay
Ny akoho ange no tsy nanidina e! Tsy nahandry ny andro zomà
Ny lohanao mihitsy no maniditsidina? handeha hanaraka lehilahy?

Lokanga tsy atao no mahabe ny voatavo, ary sao antoandro fitery ronono
Antoandro fitery ronono
Ka ilaozan'ny omby mihahaka (Antoandro fitery ronono????)
Dia avy eo tapi-dàlan-kaleha! ohatry ny sokina nanani-bato?
Nooon! fanapahan-kevitra efa ela be! fa tsy hoe hevitra vao tato ho ato

Miala sakana mbola zaza saina! Tsy tsapanao mihitsy ve hoe hadalana?
Ganagana sasatry ny miaina, rano mangotraka no andeha hianjerana?
Dada à! Zà ohatran'ny mpamboly mangahazo an: tsy atoronao ravitoto
Hanambady aho, hanambady!
Efa lasany any ny foko


Hanambady aho, hanambady aho
Hanambady aho (mbola tsy vonona amin'izany hanambady zany ianao hoà)
Tsy maintsy hanambady aho (mbola tsy vonona am'zany ianao hoà)
Hanambady aho (Mbola tsy vonona amin'izany manambady ianao hoa)
Hanambady aho
Hanambady aho

Mbola tsy vonona am'zany ianao hoà)
Antsoiko Mihintsy Dadatoanao
Fa ianao ty zazakely tsy laitra tenenina ah
O Letie e!

Hanambady aho


Ampio lesy aho fa tsy poinsa ty zaza ty eh!
O Letie ampio aho lesy a!


Fa ity sipakely ity angamba mitapy
Fa tsisy ho lazaina
Fa tsy hoe hanambady aho!
Adala sa misy devoly
Mahaiza mipetraka kely azafady a!
Fianarana tsy vita akory
Dia hoe hanambady hanambady sahady a!
Fa maika ny hanidina be
Dia avy eo de mianjera mivarina an-kady a!
Hanambady aho hanambady aho
Zany foana no tatatantaina
Hanambady aho Hanambady
Hatrin'ny alina mandra-maraina
Hanambady aho hanambady
Dia ny ray aman-dreny no kitakitaina
Efa mila lehilahy amin'izay e!
Izany foana no lelalelaina
Hanambady aho hanambady
Izany foana no hirahiraina
Hanambady aho hanambady
Izany foana no tabatabaina
Sipakely io dia maika hanambady
Mailaka Derika fa Votsa saina
Raha mbola miteny hanambady eo ty
Dia voafelaky ny tehamaina
Zaza alika tsy fanome taolana
Tena manala baraka a!
Toa Mailamailaka ery hanambady
Fa maika ny hisababaka
Eo dia tsy menatra mihintsy miteny
Fa ho avy eo ilay olona haka ahy!
Ataovy tonga eo zany bandy zany
Fa voafelaka sady voadaka a!

Dadatoa a!
Nahoana kosa re
Ianao anie tena masiaka be
Mba miangavy aho
Mba aoka re
Mba aoka re
Mba aoka re
DAdatoa a!
Nahoana kosa re
Ianao anie tena masiaka be
Mba miangavy aho
Mifona re
Mifona re
Fa tsy hanambady aho
Tsy hanambady aho
Fa tsy hanambady aho
Tsy hanambady aho

Fa tsy hanambady aho
Tsy hanambady aho

Ie izany mihintsy
Tsy aleo ve mbola mianatra e!

Anaka izany mihintsy no tena izy

Fa tsy hanambady aho

Dia mba henoy anie Rabainina
Refa mananatra e!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GangstaBab
Vangy : 6616
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 01/04/2015 08:49
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.6936