Ranabavy (GangstaBab)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ranabavy a! Ianao ve kamo hampiasa saina sa tampi-dalan-kaleha?
Mijaly am-panambadiana sa sahirana ara-tokantrano? Sa olana ara-teknika?
Sa tsy maharaka tolotra ve ny tinady e?
Sa dia kamo hisasatra tsotr’izao fa dia be sitrapo dia mila vola vetivety?

Tsy fidiny ho anah ranadahy fa tena mafy ny mahazo ahy
Tsy ho azonao mandrakizay ny olana mianjady aminay
Tsy fidiny ho anah ranadahy fa tena mafy ny mahazo ahy
Tsy ho azonao mandrakizay ny olana mianjady aminay

Ny omby tsaraina amin’ny volony,
Ny lehilahy tsaraina amin’ny lohany
Ny vorona tsaraina amin’ny feony,
Ny vehivavy tsaraina amin’ny feany

Betsaka ireo ranabavy tsy ampy taona fa ampy lanja hoatran’ny hoe tena favy
Nefa amin’ny alina ihany vao manja
Fa dia nahoana aza ianao no manao asa tranainy indrindra
Asa tsy fanao ianao, mahavoa ny areti-mifindra
Jôba samy hafa ny fofony,
String samy hafa ny lokony
Gangsta mijery ifotony
Ireo sipa masaka am-potony
Ny bandy anefa indraindray
Manao fisainan’amboa
Hoe raha mbola misy vodihazo
Dia ny bandy tsy maintsy mamany
Dia ianao ranabavy tsy mety fay
Amin’ny fikan’ny bandy efa hatramin’ny taloha
Hoe raha mbola misy vodihena
Dia ny bandy tsy maintsy mankany
Miaramila be nify izy ireny,
tsy mandà katsa-maina
Papangolahy anaty katsaka,
Babany avokoa izay mivoaka
Dongodongo miendrika androngo
Nefa mandany tsaramasom-bahoaka
Ny Mc do misy vaovao
Ka mba diniho ihany ny ho avinao

Tsy fidiny ho anah ranadahy fa tena mafy ny mahazo ahy
Tsy ho azonao mandrakizay ny olana mianjady aminay
Tsy fidiny ho anah ranadahy fa tena mafy ny mahazo ahy
Tsy ho azonao mandrakizay ny olana mianjady aminay

Ranabavy a! Ny kôziko ataoko aminao dia hoatran’ny banga manaoka
Hoatran'ny banga manoaka, hita hatramin’ny avokavoka
Ny kôziko ataoko aminao dia ataoko kabarin-jatovo
Ataoko kabarin-jatovo, avy hatrany dia ventiventesina hoe
Fantatrao ve fa masina io matoa nataon-Janahary
Voninahitra fanao an-tsobika nefa ataonao am-patram-bary
Fa maninona no zimbazimbaina?
Fa maninona no zarazaraina?
Fa maninona no sekasekaina?
Fa maninona no vetavetaina?
Sao ho sendra ny patsa iray, patsa iray tsy omby vava
Sao ho sendra ny fanondro adala, fanondro adala tsy omby lavaka
Nefa misy ratsy tarehy be
...tsy matahotra ho very mandeha
Ratsy tarehy be afara, tsy matahotra ny ho lany zara
Ry mpitondra fanjakana, ity no mari-drefim-pandrefesana
Matoa mihabetsaka ny mpivaro-tena dia mihamahantra ny firenena
Haiko fa tsy fidiny ho anao ranabavy ilay miasa alina fa tsy mandeha mody
Nefa ny tranom-pody no vita amin’ny vava, ny tranokala no vita amin’ny vody.

Tsy fidiny ho anah ranadahy fa tena mafy ny mahazo ahy
Tsy ho azonao mandrakizay ny olana mianjady aminay
Tsy fidiny ho anah ranadahy fa tena mafy ny mahazo ahy
Tsy ho azonao mandrakizay ny olana mianjady aminay

Ny toerana misy anareo
Antananarivo: Tsaralalàna
Diégo: Rue Colbert
Majunga: Ambovoalanana
Toamasina: eny @ bord
Fianarantsoa: Ankazondrano
Tuléar: Takomagnitsy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GangstaBab
Vangy : 6286
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 27/05/2015 20:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1234