Lapan'ny foko (ft Nofy - Sunny) (GangstaBab)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hatrizay hatrizao teo anilanao
Nankato ny alokao tsy nandao

Tiako ho tsapanao tiako ho risina
Ilay fitempon’ny fo mitempo ho anao
Ny ao anatiko efa babonao
Efa lasanao ho anao

Tsy hahita intsony aho ny toa anao
Tsy mila intsony aho ny ankoatra anao
Inty aho anjakao, lapan’ny foko ianao

Sao mba ataonao fitia varavarana
Tiana fa atositosika
Sao mba ataonao fitiavan-tokonana
Tiana fa dikadikaina
Sao mba ataonao fitia mangahazo
Tiana fa akapokapoka
Ny anahy ataoko fitiavana lapan’ny fo
Omeko ny molotra roa
Ataoko fitiavan’akoho
Hohanina hatramin’ny atodiny
Ataoko fitia fozakely
Hohanina hatramin’ny tongony
Ataoko fitiavan’akondro
Hohanina hatramin’ny hodiny
Ataoko fitia sipakely
Hohanina hatramin’ny, hohanina hatramin’ny lohany

Hoy ianao, efa nofinao ny ho ahy
Anilako no mahasambatra anao
Toa izany koa ny foko
Raha nangina aho hatrizay
Ka manomboka androany aho
Efa anao, anao

Tiako ho tsapanao, tiako ho raisinao
Ilay fitempon’ny fo mitempo ho anao
Ny ao anatiko efa babonao
Efa lasanao ho anao
Tsy hahita intsony aho ny toa anao
Tsy mila intsony aho ny ankoatra anao
Inty aho anjakao, lapan’ny foko ianao

Sao fitiavana hivarotra sakabeloha
Sakavavy no ampanarahana
Fa ataovy fitiavana lamban’akoho
Ka faty, ka faty no isarahana
Sao ataonao fitia lamba vao
Ka hoe tia miangaainga dia kolokoloina
Sao ataonao fitia vorodamba
Ka hoe ratsy zaitra ka solosoloina
Dia izay, ataoko fitiavana lamba
Lamban’i gangsta rehetra rehetra
Mba ho torimason’ny jamba
Ka aina, ka aina, ka aina no fetra
Fitiavako tsy andram-boankazo any an’ala
Ka raha mamy dia hoe atelomy
Izaho tsy alika hitomany valala
Ka migogogogo manala ny fony
Fitiavako hendry tsy misotasota
Fitiavako tsy hampanantena poak’aty
Fitiavako anao totohondrin’ny boka
Ka mivonkina mandrapahafaty
Fa nankaiza ary ianao zao rahavana
Mba tiako ho eto anilako ho tazatazanina
Fa efa mipaika ny oram-pitiavana
Mitsanga-mitoetra ny tia sy ny manina
Izaho tsy toa ny ranon’Ikopa
Ka tonga namana vao mavomavo
Fa izaho toy ny rano madio any an’ala
Ka raha tonga namana dia ravoravo
Efa zatra nihaino mozika
Ka mba te-hihaino ny tomanin-jaza
Efa zatra ny nanao sipa
Ka te mba hikatsaka ny ho renin-jaza

Iray mifameno izaho sy ianao
Na tomany na alahelo tsy mifandao
Teo foana aho, tsy hanalavitra anao
Hiaro anao
Ka hajaiko tsy ho voafafako ilay anaranao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GangstaBab
Vangy : 7973
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 01/04/2015 21:22
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3272