Ialahy akamako foana (GangstaBab)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny ahiahy tsy ihavanana
Ny ahy basy atifi-kavana: tsy afenina fa arangaranga
Ny hena masaka mahavelona, ny hena-maso mahafaty
Ny ao am-pon’ny siny mangatsiaka, ny ao am-pon’ny vilany mahamay
Ny ao am-po tsy miloaka ankamantatra, ny mitazona alahelo mahafaty
Lazaiko am’là ny zava-misy, lazaiko am’là ny ato an-tsaiko
Ataoko kôzy mahitsy, mety hanimba, tsy haiko
Ialahy lasa manao teny masiaka, teny tsy misy fiheverana
Ialahy lasa manao teny maditra, teny tsy misy hifantenana
Samy zanak’Ankadibevava, tsy mifampidera taim-bava
Samy zanaky ny mpanefy, tsy mifampidera taim-by
Samy zanaky ny mpandrafitra, tsy mifampidera taim-bakona
Samy zanaky ny efa mangotraka, tsy matahotra ny hangorovitsika
Nefa tsika sy ialahy tam’zany, iray donan-kafo sy iray dinidinika
Nefa tsika sy ialahy tam’zany, niara-nihevitra niara-nandinika
Tam’zany niara-nandinika, nandinika an’izay ketrika azo natao
Vary sy rano: an-tsaha tsy mifanary, an-tanàna tsy mifandao
Ny fihaonantsika sy elà tam zany toa fodilahy mamangy railovy:
Ny vangiana misiotsioka, ny mpamangy mihirahira
Ny fihaonantsika sy elà tam zany toy ny fihaonan’ny diavolam-pararano
Diavolam-pararano sy farihy manganohano
Ny fihaonantsika sy elà tam’zany, fihaonan’ny mpinamana be
Ny fihaonantsika sy elà tam’zany, tsapa hoe bandy niara-lehibe
Fihaonan’ny tena mpinamana: vonona hifanolo-tànana
Ialahy vato nasondrotry ny tany, sanga niaingan’ny volo
Handimby ny anaran-dRay, fanajana ho an’i Neny
Ialahy kiady sy voninahitra no sady tandrify no tompon’ny teny
Loharano tsy dikain’ny zinga, tabia sy rehareha
Zoky tsy songonan-toerana, zoky tsy ialohava-mandeha
Manan-joky afak’olan-teny, ho an’ny rehetra vonona handre
Zoky tsy salovani-miteny, fa tena zoky henjana be
Ialahy zokibe toa ray, ohatry ny nanam-pahefana
Ialahy zokibe toa ray, ohatry ny nomeko fanajana
Ialahy zokibe toa ray, ohatry ny nomeko toerana ambony
Ny olana: ialahy tsy niteny, hay tena misy lonilony
Dia tapatapaka tsy namana lay tapaka sy namana
Tapatapaka tsy manana fa very finamanana
Ny fihaonantsika sy elà am’zao, indrisy fa fihaonan’ny zana-tohatra
Fihaonan’ny zana-tohatra sy ny vava-ranjo
Ny fihaonantsika sy elà am’zao, fihaonan’ny ketsa vao mitsiry
Ketsa vao mitsiry sy ny gisa tia sotasota
Ny fihaonantsika sy elà am’zao, fihaonana tonga mitratrevatreva
Miampy sinto-mahery, tsisy fandeferana, tsisy fanajana,
tsisy marimaritra, tsisy fitsinjovana, tsisy fanantenana
Ialahy taloha: hitsikitsika ivavahana, bandy akama akaikin’ny fo
Ialahy nanapaka fihavanana, voromahery hipaoka ny akoho
Ialahy taloha nataoko tànan-kavanana, ifampizarako am’zay manjo
Ialahy am’zao tsy vonona hifanolo-tànana, miteraka aretin’andoha
Izao ialahy tsy antenaina mba hanohana, tsy atao intsony hoe bandy akama
Izao ialahy manafim-bato hanafintohina, sady manolo-bato mafana
Izao ialahy mikatona tsy misokatra, tsy misoka-bava
Mikapoka lohan-tsokatra, ka manafohy ny mety ho lava
Zà efa ela nipetrahana amoron’ala: mahalala ny hazo mahitsy ho kapaina
Efa ela nipetrahana amoron-drano: mahalala ny marivo irobohana
Efa ela nianarana tantara ka mahalala tsara ny tontolo
Efa ela nietezana, ela nietezana ka lava volo. Dia ity aho !
Tonga hiresaka tsy tonga hifanditra, tonga malefaka tsy tonga masiaka
Satria fantatro tsara ny toetran’là, fa toetrana gangsta:
Namana be mody mampijaly masiaka be ronono mpanome sakafo
Vava mpiteny mpamalifaly, tànam-pamono mpanafosafo
Ady hanina tsy ifandeferana, izay mandefitra vao mainka bolangina
Toy ny lohalika sy laferana: izay milefitra ihany no mandina
Izaho mino
Fa ny fihavanantsika tsy hiato, ny finamanantsika tsy ho foana!
Satria tsy misy havandra mijanon-ko vato ary tsy misy ririnina mandava-taona
Ka tiava ny fahavalonareo ary mivavaha ho an’ireo mpanenjika
Fa ny tendrombohitra ihany no tsy miova, tsy miova @ heviny
Fa misy fanantenana ho antsika, ny zava-drehetra manam-potoana
Dia na misy ny ady mangatsiaka
Ialahy akamako foana!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GangstaBab
Vangy : 5526
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 06/08/2014 08:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4772