Hanambady aho (GangstaBab)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Anaka,
Tsy ny fitalakotrokotroky ny orana no hanamasaka ny vary mbola maintso,
Tsy ny fijoalajoalan’ny hazo no hahaloaka ny lanitra,
Tsy ny fahataitairana vetivety dia handeha hitetateta,
Tsy ny famirapiratry ny zinga no hahafaka hetaheta.

Ianao tsy hoe zanaka tsy tiana ka zara aza misy mangataka,
Ianao tsy hoe zaza tsy omby trano ka ho atao sesi-dohalika,
Fa sao mba sambasamba nahay taratasy, dia hanoratra tsy misy lafika,
Sa herinandro nitànana basy, dia any Irak no hande hanafika?

Sady ny mihinan-kena tsy fantatra anarana: mihinana amin'ny ahiahy,
Mitafy lamba tsy lasam-bidy: mitafy amin'eritreritra,
Mitari-bady tsy lasam-bodiondry: henatra eo amin'ny tany ama-monina,
Voatavo tsy mifandraka handeha hanambady, olana eo am fiaraha-monina.

Fantatrao ve fa ny vero no afa-mijoro, teny ierana avy amin'ny rivotra,
Fantatrao ve fa ny jabo no azo tafiana, teny ierana avy amin'ny landy,
Fantatrao ve fa ny lango no azo ohanina, teny ierana avy amin'ny vary,
Ary fanambadiana no raikitra, teny ieranan’ny Ray aman-dReny.
Tsy manambady ianao.

Ref (Narindra):
Hanambady aho, hanambady aho
Hanambady aho, hanambady aho
Tsy maintsy hanambady aho, hanambady aho
Hanambady aho, hanambady aho

Narindra:
Dàdà à! Efa hevitra tapaka ny ahy, lehibe aho dia mila namana
GangstaBab:
Ianao ary raha miondana mololo mikohaka, mbola zaza tamà-mionda-tànana
Narindra:
Aleo aho hahaleo tena e, aleo aho hikopak'elatra
GangstaBab:
Zaza tsy mahavita tena ve? dia handeha hilalao peratra?
Narindra:
Fantatro zay tokony ataoko e, zà tsy zazakely mandrakizay
Efa lasa ny fahazazana, zà mila lehilahy am’zay
GangstaBab:
Ny akoho ange no tsy nanidina e! Tsy nahandry ny andro zomà
Ny lohanao mihitsy no maniditsidina? handeha hanaraka lehilahy?

Narindra:
Lokanga tsy atao no mahabe ny voatavo, ary sao antoandro fitery ronono
Antoandro fitery ronono
Ka ilaozan'ny omby mihahaka
GangstaBab:
Antoandro fitery ronono?
Dia avy eo tapi-dàlan-kaleha! ohatry ny sokina nanani-bato?
Narindra:
Nooon! fanapahan-kevitra efa ela be! fa tsy hoe hevitra vao tato ho ato

GangstaBab:
Miala sakana mbola zaza saina! Tsy tsapanao mihitsy ve hoe hadalana?
Ganagana sasatry ny miaina, rano mangotraka no andeha hianjerana?
Narindra:
Dada à! Zà ohatran'ny mpamboly mangahazo an: tsy atoronao ravitoto
Hanambady aho, hanambady!
Efa lasany any ny foko

REFRAIN
Hanambady aho, hanambady aho
Hanambady aho (mbola tsy vonona am'zany hanambady zany ianao hoà)
Tsy maintsy hanambady aho (mbola tsy vonona am'zany ianao hoà)
Hanambady aho (non! tsy manambady ianao)
Hanambady aho (tsy manambady ianao)
Hanambady aho (tsy manambady ianao)

GangstaBab:
Tsy manambady ianao!!!
Raha mbola GANGSTA koa ny GANGSTA

Satria na tianao aza ny akanjo, tsy anaovana raha mbola tsy antonona
Na mangotraka aza ny fitiavana, tsy manambady raha mbola tsy vonona
Na tahaka ny inona fahamaikana: tsy fanao ny mitondra entana tsy voafehy
Jamban'ny hadalana, nefa zaza tsy mahay manasa
"TAREHY"!!

Na tahaka ny inona fahadiovana, ny totokena tsy mba fanasa
Na maranitra aza ny angady, ny vatolampy tsy mba fiasa
Na tahaka ny inona fahamaizana, ny ravitoto tsy mba fitetika
Na manaikitra aza ny torimaso, mba miandrasa masoandro milentika

Na mafana be ary ny ao anatiny, vehivavy tsy tokony hisaveraka
Na ho lasa aza ny ririnina: tsy fanao ny mamora zaza mbola tsy teraka
Miandry kely ianao! sao dia ho main'ny afo natsangana
Miandry kely fa na bevohoka ratsian-kena aza tsy afaka hanaikitra omby mitsangana

Satria na manenjika aza ny hetaheta, rano mangotraka tsy mba fisotro
Na manenjika aza ramaria, tsy afaka hihinana tsisy vilia
Na fy aza ny amalona, ny lela tsy fanao jono
Hanambady ianao dia hiteraka nefa sipakely tsy mahay mampinono

Narindra:
Dada à! nahoana kosa re
Zà nge, mba efa lehibe
Mba miangavy aho
Aleo handeha

Hanambady ianao dia hiteraka nefa sipakely TSY MAHAY MAMPINONO!!!!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GangstaBab
Vangy : 6719
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 24/07/2014 19:26
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112