Hafahafa (GangstaBab)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Yeah !
Hafahafa ohatran’I GANGSTA: atao hoe hendry toa adaladala
Atao hoe adala? Atao hoe adala toa Hendry ihany
Hafahafa ohatran’I Madagasikara: mahantra ambony volamena
Hafahafa ohatran-dra Malagasy: mahantra eo ambonin’ny harena
Hafahafa fa totozy latsaka, latsaka anaty vilany jobo
Ny herim-po betsaka, fa ny hoza-body no tsy maharaka
Ka hafahafa fa be feo tampoka, ohatry ny sarim-bavy nenjehin’alika
Hafahafa ohatry ny sarim-bavy manao mini-jupe, ka ampangain’ny volon-tongony
Harem-pirenena: loharano tsy manam-paharitana
Fahavaratra be antsakaina, ririnina misy ho tsihifina
Nefa hafahafa, ohatry ny dale Ampefiloha:
Fahavaratra lava-poza, ririnina lava-boalavo
Hafahafa toa lapoaly : atao hoe zinga toa ngeza loatra
Atao hoe vilia? Atao hoe vilia toa misy tangozany
Hafahafa ohatry ny angidina: atao hoe mahia toa be tratra
Atao hoe matavy? Atao hoe matavy toa kely Rambo
Hafahafa ohatry ny baolina: arakaraky ny mahakely ny hangezany
Arakaraky ny mahakely ny hangezany no maha deb any mpilalao azy
Hafahafa fa izy mivady no miady dia ny zanany no voaporiporitra
Hafahafa ohatry ny jamba mamono vady,ka hoe aiza ho aiza no misy an-tena
Hafahafa fa Alasora no voka-tsaramaso, Ambohimanarina no mizihi-kibo
Anjeva no matavy omby, Ambohimalaza no lafo kitay
Ny voay no mandoto ny rano, ny amalona no tsy mahita ho sotroina
Ny kary no manao ny ataony, ny saka no voatapa-drambo
Rainizanamino no vita batisa, Ikotovoalavo no tafaporitsaka any an-danitra
Litakely no vita didim-poitra, Dadabe no voky akondro vao maraina
Hafahafa! Raha sady manoaka no manoroka
Hafahafa! Raha sady misioka no miborosy nify
Hafahafa toa sahafa, fa ny lamosim-piankinana no nibontsina
Hafahafa toa kibon-dranjo, fa ny kibony no any an-damosina
Hafahafa ohatry ny zipon-drazanany, fa ny moro-tongony no nasiany tànany
Hafahafa ohatry ny patalohan-dRaprôsy: lavaka iray ihany ny braguette sy ny paosy
Hafahafa! Fa rafotsibe mangataka omby
Raha mahazo fanampin-daoka, tsy mahazo ny omby tsy fangataka
Hafahafa! Fa petak’orona voan’ny sery
Petak’orona voan’ny sery? Avo roa heny ny fahakentsonany
Hafahafa! Fa Rasta mibango volo
Rasta mibango volo : ranomaso no isarahana
Hafahafa toa vinanto lahy entanim-pitia tafahoatra
Entanim-pitia tafahoatra ka mikitikitika nonon-drafozana
Hafahafa! Fa dekôna matin-draharaha
Sady mitendry orgue no sady mitanty rakitra
Hafahafa! Fa tampohin’ny lasa dekôna
Any an-gabone no mihira “avia ry mino”
Hafahafa ohatry ny banga mihinan-kitoza: tsirony no notadiavina
Tsirony no notadiavina nefa ny iviny no niraraka
Hafahafa ohatry ny banga, banga mifiaka fary
Natao haha mandomando ny tenda kinanjo nampitsovaka ny akanjo-nify
Hafahafa ohatran’Ambatolampy: optimiste be ry zareo
Ambatolampy mahita roplane: cocotte 5 iny raha latsaka eo
Hafahafa ohatry ny vozon’akoho: atelina toa taolany
Atelina toa taolany, aloa toa nofony ihany
Hafahafa ohatry ny mpanao hotely: olona tsy hita no andrahoana sakafo
Hafahafa toa mpiasabe vonton’anatra, ka eny an-tsena no manao mbay làlana
Hafahafa! Ohatry ny mofo akondro
Mofo akondro nasiana sira, ronono velona nasiana angivy
Hafahafa! Ohatry ny malotoan’alika
Maloton’alika sy voamadilo, ka sady masiso no marikivy
Hafahafa ohatry ny string: anaovana mamoaka fofona
Anaovana mamoaka fofona, satrohana mamoaka sofina
Hafahafa ohatran’I GANGSTA: atao hoe Hendry toa adaladala
Atao hoe adala? Atao hoe adala toa Hendry ihany
Hafahafa ohatran’I Madagasikara: mahantra ambony volamena
Hafahafa ohatran-dra Malagasy: mahantra eo ambonin’ny harena
Bois de rose, fasi-mainty, béryls, magnesium, Cuivre, mercure, zinc, radium
Graphite, fer, quartz, pétrole, Nickel, cobalt, tourmaline, uranium
Rubis, topaze, plomb, coridon, Volamena, saphir, émeraude, diamant
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GangstaBab
Vangy : 6146
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 21/09/2014 22:22
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0221