Anjara tandrify (GAETAM)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Tsy hitomany aho
Tsy hitomany aho Jesoa
Na dia tojo fisedrana mahamay
ho zakaiko, ho zakaiko Jesoa
Izay tendry tianao hasalotra ahy
Tsy hisento aho
Tsy hisento aho Jesoa
Fa Ianao no mampahery tokoa

Fiv: Dia ekeko (dia ekeko)
ho tandrify ahy ry Ray
'zay anjara, (Izay anjara)
voahomana ho ahy
Ny ato am-poko, (ny ato am-poko)
dia trotra ihany
Ampy ho ahy, (ampy ho ahy)
izay rehetra omenao
x 2

2-Tsy ho kivy aho
Tsy ho kivy aho Jesoa
Raha tsy hahazo izay takiko Aminao
Fa ianao, fa ianao Jesoa
No mahalala 'zay sahaza ho Ahy
Tsy alahelo aho
Tsy alahelo aho Jesoa
Fa miandrandra 'lay maraim-baovao

Fiv: Dia ekeko... x 2

3-Dia hitsiky aho
Dia hitsiky aho Jesoa
Rehefa injay fa miposaka ho ahy
'Lay masoandro
'Lay masoandro Jesoa
Manazava ny fiainako ety
Dia hifaly aho
Dia hifaly aho Jesoa
Fa nahazo fitahian-dehibe

Fiv: Dia ekeko... x 4
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GAETAM
Vangy : 5289
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rianaah
Daty : 01/04/2014 15:00
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3227