Tsy fonja ny fitia (Fitia)

Mpihira : Fitia
Mpamaky : 1472
Nampidirin'i : hiragasy58
Tamin'ny : 16/03/2010 00:29:42
ID : 5827

Iray minitra tsy nahy
Ny masontsika nifanena
Ny foko tia ka dia nomeko anao

Iray minitra ny tontolontsika meva
Ity zao hay nataonao kilalao
Tsy hita intsony ny tambitamby tonga ny ady
Dia samy vita ianao moa nandeha
Navelanao nipitrapitra irery teo aho
Niantsoantso miverena nefa ianao tsy nandre

Ref
Foana ny trano
Aleoko misaona ny foko toy izay aho
Hanan-dratsy hijaly lava foana hitomany
Haiko mafy
Tsy anilanao mangidy nefa
Aleoko miafy toy izay hilanja nenina eo aho

Niandry aho mba nisy anao hiova nefa
Zava-poana zany toetra ratsinao vao maika
Baribary tonga
Mankarary fo
Miha-tsy tantiko
Ditranao mankarary an-doha

Shy'n
...

Tara loatra zany
Ny foko lasa ny hafa ny saiko efa niova
Tsy toy ny taloha
Andriamatoa

Ref

Tofoka aho zao tofoka aho
Tofoka aho amin'ny ataonao
Tofoka aho zao tofoka aho
Tofoka aho zao amin'ny ataonao

Ref

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo