Jesosy mpitarika hendry Ianao (FIFOHAZANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jesosy mpitarika hendry Ianao
Tantanonao ny dianay
Mba tsy ho solafaka an-dalana
Sao very izahay

ref: Fa ny devoly mihaza anay
Mamela-pandrika
Arovy ry Tompo ny fanahinay
Vonjeo 'zahay Jesosy

Toroy sy ampio ampianaro izahay
Ho tia tokoa ny teninao
Mba ho fiarovana mafy ho anay
Ny baiboly soa taminao
ref:...

Tsarovy ary koa mba saino anie
Fa fandalovana ity tany ity
Ka aoka mba tsy ho variana anie
Sao very ny lanitra ery
ref:...

Fanahy Masina mpanavao
Midina re anjaka aminay
Hampianatra anay ny fiainam-baovao
Hitoetra tsy ahasaraka anay
ref:...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FIFOHAZANA
Vangy : 3777
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : poups5
Daty : 10/03/2014 10:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0713