Asandratro ny Anaranao (FiFa Group)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa trotraky ny ota aho Tompo o
Nefa Hianao,tsy mba nahafohy ahy
Rendrarendra sy loto nameno ahy
Saingy Hianao tsy nanary Ahy
Nitsinjo Hianao,nampahery
Nandrava ireo sento nianako

Ref: Ka asandratro ny Anaranao
Deraiko sy ankalazaiko isan’andro izao
Ny fahasoavanao no nahatoa izaho ahy
Ka isaorako Hianao

Nanehoanao fitiavana Ray o
Novonjenao tamin’ny adalana
Notahinao ny fiainako rehetra
Ka hidera aho ,hidera Anao mandrakizay
Nitsinjo Hianao,nampahery
Nandrava ireo sento nianako

Ref:
Deraiko sy ankalazaiko isan’andro izao
Ny fahasoavanao no nahatoa izaho ahy
Ka isaorako Hianao
A/C:Hanitrarivo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FiFa Group
Vangy : 1238
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Mabel
Daty : 23/07/2015 17:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.073