Moa ho haiko tantaraina (Fihirana FFPM)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 - Moa ho haiko hotantaraina ny hasoavanao ?
Mifamatra tamin’aina ny fitiavanao
Ny vahoaka sesehena izay nahazo famonjena
No hidera ilay Mpamonjy soa

Jeso no derao, Jeso no derao
Izay nataony ambarao
Jeso no derao.

2 - Hoderaina lalandava ny Anaranao
Fa ny aizina nisava eo imasonao ;
Na tsy tian’ny sasany aza
Ny Anaranao malaza
Izaho kosa hankalaza Azy re

Jeso no derao, Jeso no derao
Izay nataony ambarao :
Jeso no derao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fihirana FFPM
Vangy : 3303
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mandefitra
Daty : 06/08/2008 14:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729