Rahoviana (Feon'ny fiderana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mbola misy ny famonjena
Nefa ianao toa mienaena
Nangatak'andro,andraso andraso aloha
Toa mbola manamafy ny fo
Izy mitory sy mivazavaza
Ianao mbola manjeny ny andro lava
'Lay famonjena efa nambaranay
'Lay fiainana mandrakizay!

Ref:Raha tsy izao dia rahoviana e!
No nandaozanao ity fahoriana
Fisalasalana sy andraso andraso anie
Hanenenanao indray mipi-maso

Namako ô!'Zao no ambarako anao e!
Miaratsy izao fiainana izao
Miangavy re raha toa azo atao
Manatona ny tompo ianao
Miangavy an-tanan-droa izahay
Sao tara 'zay vao hoe takizay
Tombotsoanao ny andro anio
Ity antsoantso ity mba valio

Ref:Raha tsy izao dia rahoviana e!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Feon'ny fiderana
Vangy : 2158
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : miaranamih
Daty : 19/05/2016 08:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736