MIFANKATIAVA (FEON'IFIALOFANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TSY VITAN’NY FITSETSERANA FOTSINY IO BABA A!
NA FANANKIANANA MAMOHAFOHA ADY RÔ ENDRY E!
F’ISIKA MIARAKA MIFAMPISALAHY, MIARA-MIASA A!
IZAY NO FITORIANA ANDRASAN’I JESOSY TOMPO

1) IZAHO SY IANAO EFA MBA SAMY NANAIKY
NIVOADY SY NANOLO-TENA HANOMPO JESOSY
ANKEHITRINY NIZARA NY LALANA KA TSY NIFANDRAY
MIADY AN-TRANO, MIRAFY, MIFANARATSY

2) NGAHY BELIZABOBA MIFALY FA HOE : “NANDRESY”
VAO NAHITA ANTSIKA ROA NIFANDEVILEVY
MANINO MOA RÔ ISIKA RAHA TOA HIFAMELA
SATRIA TANJONA IRAIKA NO NDEHA HITODIANA

3) LAY DIDY NAPETRANY HOE MBA “MIFANKATIAVA”
TSY METY HO TO FA VOADIKA SY TSY MBA VOAHAJA
F’ISIKA NILAZA FA MPIANANY NO NIZARAZARA
MIADY HO LOHANY INDRISY TSY MBA MIFANAJA

A/C : Rina RAJAONARISON (R.F.T.)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEON'IFIALOFANA
Vangy : 2140
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : rjeanclaude2
Daty : 07/03/2018 11:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0764