You are here: home > Tononkira > Feon'ala

Raozy vao maraina (Feon'ala)

Vao omaly aho nitaraina, nitomany
Reraky ny adin-tsaina, lany hery
Toy ny raozy maty masoandro, na lasa nalazo
Ny maraina kosa mampiseho hery vao.

O! ianao izay namoha indray ny fitiavako
Ianao no rivo-bao nitondra aina
Namelona ny hodi-tavako
Niaiky ianao ny hanadino ny lasako
Niaiky ianao ny hiara-dia iray fo amiko

Toy ny raozy vao maraina, falifaly
Mivelatra mampisetononkira.serasera.orgho ny vony sambatra
Averimberiko ato an-tsaiko, raha alina aho
Fa andro vao mitondra tsiky ho an'ny tontolo

La la lla la
Eny, mafy ny fiainana eto an-tany
Feno hafaliana sy hakiviana
Nefa mahaiza mionona fa izany no anjara
Fa inty re ny foko feno fitiavana
Atolotro anao, eny atolotro anao
Avia isika hiara-dia re ry tiako.

Niaiky ianao ny hanadino ny lasako
Niaiky ianao ny hiara-dia iray fo amiko

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Feon'ala
Mpamaky : 5675
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ddauphin
Tamin'ny : 19/07/2013 11:50:05
ID : 6349

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo