LAPAM-PITIA (FEOMAFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hifanizina ho any am-paradisa
Izany no tarigetra-tsika
Miray fo miray fitiavana

Samy hafa firenena
Samy hafa ny fiteny
Kanefa dia nampiraisin'i Kristy

Mampitempo iray ny fon-tsika
Loharanom-pitia
Tsy mety ho ritra izao tontolo izao

Ref:

Meteza re izao sy ianao
Ho Lapam-pitia ho doria
Izany no didy
Lehibe indrindra
Nampianariny ho antsika ety.


Fitiavana tanteraka
Maharipo tsy mirehareha
Rojo mampiray ny olon'ety

Fitiavana fitiavana tsy ho levona mandrakizay
Ho an'ny olona tsy ankanavaka

Faingana re ry mino
Ny ampinganao aza adino
Anolotra fitia
Ho an'ireo naniha. Ho Lapam-pitia.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEOMAFI
Vangy : 841
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mientana92
Daty : 26/11/2018 22:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3867