Hira tambatra (FEOMAFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jesosy oh! indreto ny olonao
manatona Anao mba ho vonjena
manatona Anao sao very
kely finoana Jeso ka mila hery

Jesosy oh! indreto ny olonao
manatona Anao mba ho vonjena
manatona Anao sao very
kely finoana Jeso ka mila hery

Mamaky ny efitra dia mety solafaka
Raha tojo fiakarana dia mety tsy ho afaka
herikereo ihany Jeso fa mbola malefaka
tazatazano ihany Jeso fa sao dia reraka

Mamaky ny efitra dia mety solafaka
Raha tojo fiakarana dia mety tsy ho afaka
herikereo ihany Jeso fa mbola malefaka
tazatazano ihany Jeso fa sao dia reraka

Ny lapan'Andriamanitra no hivorian'ny olona
amen!! haleloia
tsy omby alinalina izay madio sy masina
amen!! haleloia
finaritra ny olonao
mitoetra eo aminao mandrakizay
finaritra ny olonao
mitoetra eo aminao mandrakizay

Ny lapan'Andriamanitra no hivorian'ny olona
amen!! haleloia
tsy omby alinalina izay madio sy masina
amen!! haleloia
finaritra ny olonao
mitoetra eo aminao mandrakizay
finaritra ny olonao
mitoetra eo aminao mandrakizay

Inty! aho! Inty aho Jeso
Inty! aho! Iraho aho Jeso
Ekeko re ny ho miaramilanao
ho vonona hanao ny sitrakao
ka iraho!

Ny antsonao Andriamanitra o!
dia feno fitiavan- dehibe
Ny teninao mandresy lahatra
mamolaka ny foko izay mpanda
Ty aho Tompo fa manatona
manolo-tena ho anao tokoa
Hanompo Anao Andriamanitra o!
ka hampandre ireo izay tsy nandre

Mamin'ny foko ry Jeso o!
Ny famonjena izay vitanao
Ny hadisoako navelanao
tena afaka aho mandrakizay
Jeso malala o! Mpamonjy soa
indro ny aiko raiso ho Anao
Velon-kanompo velon-kanoa
vonon-kanao izay sitrakao

Avia hankalaza ny Tompo lehibe
fa feno hery haja Jehovah masina e!
Andeha mitambara ry vazan-tany oh!
miankohofa tsara hanaja Azy izao!
Avia hankalaza ny Tompo lehibe
fa feno hery, haja Jehovah masina e!
Avia hankalaza ny Tompo lehibe
fa feno hery , haja Jehovah masina e!

Indreto izahay Zanahary e!
avy manatona Anao o!
mitondra ny fo ravoravo mahatsiaro
ny tsara nataonao
hatry ny ela, (efa ela be)
Hatry ny ela, Avakeo barako niany e!
Mankalaza Anao Zanahary e!
Mankalaza Anao Zanahary e!
Zahay jiaby e! vory aketo niany e!
Mankasitraka mankateliny e!
Tia zahay tato be Anao
Indreto izahay Zanahary e!
avy manatona Anao o!
mitondra ny fo ravoravo mahatsiaro
ny tsara nataonao
hatry ny ela, (efa ela be)
Hatry ny ela, Avakeo barako niany e!
Mankalaza Anao Zanahary e!
Mankalaza Anao Zanahary e!
Zahay jiaby e! vory aketo niany e!
Mankasitraka mankateliny e!

Tia zahay tato be Anao
Efa tsaiky very zahay e!
zahay aombinao
Nitsakarahinao
tanaty alan'ny fahotana
Nandifasana
Tsimagnaja mazoto
Tsy mataho-droto e!
Nakeki-panenitry e!
Nitsaka dengy lalina e!
Salakady misy voay
Mitety karoka-bato malamatra
Nefa tsy lavo
Efa tsaiky very zahay e!
zahay aombinao
Nitsakarahinao
tanaty alan'ny fahotana
Nandifasana
Tsimagnaja mazoto
Tsy mataho-droto e!
Nakeki-panenitry e!
Nitsaka dengy lalina e!
Salakady misy voay
Mitety karoka-bato malamatra
Nefa tsy lavo

Veloma no apetrako
fa tapaka ny hevitro
Handao ny fahazarako
fa Kristy no harahiko
Veloma no apetrako
fa tapaka ny hevitro
Handao ny fahazarako
fa Kristy no harahiko
Veloma hianao,
ry izao tontolo izao!
Izaho tsy tamana aty ,
veloma hianao
Veloma hianao,
ry izao tontolo izao!
Izaho tsy tamana aty ,
veloma hianao
Veloma hianao,
ry izao tontolo izao!
Izaho tsy tamana aty ,
veloma hianao!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEOMAFI
Vangy : 4407
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : FEOMAFI
Daty : 08/09/2016 10:20
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.071