Didim-pifankatiavana (FEOMAFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Ndeha alaviro Ny fifam-pialonana
F'izany no mandrava tsy mampandrosoa
Satria isik'izaodia ankohonana
Samy midera mankalaza ny Tompo!

                        

                        Ref : Didy lehibe no napetraky Ny Tompo
                        Hoantsika dia ny mba HIFANKATIAVANTSIKA
                        Tahaka ny nitiavany antsika,
                        Ka ho famantarana Fa isik'izao dia mpianany

2- Aoka tsy ianao 'lay tia fosafosa
Tia mitsikera ary koa manaratsy
Ataovy antsainao F'ianao dia be trosa
Satria tsy maintsy miaramilan'ilay ratsy

              

                        Ref : Didy lehibe no napetraky Ny Tompo !
                        Hoantsika dia ny mba HIFANKATIAVANTSIKA
                        Tahaka ny nitiavany antsika,
                        Ka ho famantarana Fa isik'izao dia mpianany

 

3- Diovy ny fonao ka esory ho lao
Fifanaratsiana fifampiandaniana
Aoka Jesoa mpanjaka ho Tompon'ny laka
Ary koa anapaka ,Haleloia Haleloia ,amen!!

                        Ref : Didy lehibe no napetraky Ny Tompo !
                        Hoantsika dia ny mba HIFANKATIAVANTSIKA
                        Tahaka ny nitiavany antsika,
                        Ka ho famantarana Fa isik'izao dia mpianany
 
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEOMAFI
Vangy : 1388
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : FEOMAFI
Daty : 02/09/2017 01:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728