Malok'ila (Feo Gasy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nihamalok’ila indray ny lanitra
Manjombon-takariva masoandro sasatra
Ny volon-drahon’iny tsy hay tazanina
Nipaika ity ilay ora fitsaharana

Nikopaka ny arosy tsy hay notanana
Hangina ny kamory nilaoza-namana
Fa tratra hariva irery an-tanin’olona
Tomany fa te hody ravalovotaka

Hatreo aloha ny anio ka aleo faranana
Izay vita no ifalio fa tam-pitiavana
Raha misy ny alahelo toneo tsy hiraraka
Ny ranomaso fero tsy hipatrapatraka

Satriko ny hitoetra tsy hifandao lala o
Voatery hifametra fa lavi-dàlana
Diavolan-ko lava, lalao koa mbola ho ela
Mbola hifanatri-tava izay no efa nekena


Tonony sy feony : Erick Rafilipomanana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Feo Gasy
Vangy : 20422
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 25/10/2001 17:10
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109