Fanja (Feo Gasy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na eny an-tanimboly, na eny an-jaridaina
No ahitako anie ry Fanja
Ireo lolo sesehena, fa raha mahita anao
Dia mifaly avanja

Fa endriky ny zava-boary ianao
Ny fahadiovanao no hajao

Ireo lolo mpikaretsaka, mpanambaka raozy betsaka
Dia halaviro anie ry Fanja
F’ireo no biby dia, mpandavaka vy
Tandremonao anie ry Fanja

Fa endriky ny zava-boary ianao
Ny fahadiovanao no hajao

Fanja e ! Fanja a ! Ry Fanja !
Fanja ! Dia voninkazo ianao ry Fanja
Firavak’ilay tan…na ianao ry Fanja

Fanja e ! Fanja a ! Ry Fanja !
Fanja ! Dia voninkazo ianao ry Fanja
Manitra mamerovero ianao ry Fanja

Fanja e ! Fanja a ! Ry Fanja
Ho entiko ao an-tokatrano ianao ry Fanja
Hapetrako ao anaty vazy ianao ry Fanja

Fanja e ! Fanja a ! Ry Fanja !
Hiraiko sy ho kaloiko ianao ry Fanja
Halefako ho tononkira ianao ry Fanja

Fanja e ! Fanja a ! Ry Fanja !


Philibert Rabezoaza (RAKOTO Frah)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Feo Gasy
Vangy : 5765
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 25/10/2001 17:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.078