You are here: home > Tononkira > FELANIARY

Safosafo (Feat Malala) (FELANIARY)

Fenofeno ny fitiavanao
Ka mila ho hadino izao rehetra izao
Tsara karakaranao
Tsara tambitambinao
Tsy reko intsony ny fahoriana manjo ahy

Rakodrakotry ny teny maminao
Lenodenoky ny tambitambinao
Tena lasa adala anao
Jamban'ny fitiavanao
Tsy reko intsony ny fahoriana manjTsiky dia ampyo ahy

?Safosafo sesilany
Tambitamby teny mamy?
Orokoroka mafana
Fifaliana tsy ho lany
Fitiavana igagana
Sy tokim-panantenana
Hitako eo anilanao

Hirahira sy mozika
Vazovazo tsy ho lany
Io no iarahantsika
Raha mbola mihodina ny tany
Izaho sy ianao hiara-dia
Mbola ho mpifakantia
Mandrakizay doria

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : FELANIARY
Mpamaky : 388
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 20/03/2017 22:10:31
ID : 9250

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo