Mpangalamama (FELANIARY)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : FELANIARY
Mpamaky : 1099
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 30/07/2002 13:59:55
ID : 839

Imprimer Facebook Facebook
Iny fara-vodilanitra iny e
Ny masoandro milentika iny andrefana iny e
Ranomaso mitsonika an-tavanao any e
Manaova veloma f’izy efa tsy eto instony

Nafoiny daholo ny revy teto hatrizay
Nataony veloma ny rehetra teto an-tanana
Naleony namorona fianana hafa indray
Fa tsy ampy azy intsony ka aleony niala-pà

Lasan’ny mpangalamama zaza ô
Lasan’ny mpangalamama nama ô
Lasany ka tsy naveriny eto intsony
Lasan’ny mpangalamama zaza ô
Lasan’ny mpangalamama nama ô
Lasany hatramin’ny fony ka tsy haiko intsony

Rehefa iny harivariva iny e
Mahatsiaro ny sangy sy tambitamby avy any e
Na ny vazo sy ny hira niarahana nikalo e
Ataovy veloma f’izy efa tsy eto instony

Nafoiny daholo ny revy teto hatrizay
Nataony veloma ny rehetra teto an-tanana
Naleony namorona fianana hafa indray
Fa tsy ampy azy intsony ka aleony niala-pà

FELANIARY

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo