You are here: home > Tononkira > FELANIARY

Mahamay (FELANIARY)

Tsy hadiditra intsony aho mamako ô
Tsy hamalivaly intsony aho babako ô
Tsy hisotrosotro intsony aho zokibeko ô
Tsy hamonomono intsony aho zandriko malalako ô

Avelao aho mba hody amin’izay e
Mifona aminareo aho havako sy namako ô
Aza ampijaliana intsony aho f’efa fay e
Ho hendry be foana aho mandrakizay e

Mahamay, mijaly aho, marary aho sipa ô
Mila hitapy aho, sitrano aho,tononkira.serasera.org marary ny aiko ô
Avia miavia aty, omeo rano zaho ô
Ho serana aty aho raha tsisy anareo

Aza ampijaliana aho, mifona aho sefo ô
Mba vonjeo aho, jereo aho, marary ny aiko ô
Avia miavia aty omeo rano zaho ô
Raha serana aty aho veloma ianareo

Tia anao be foana aho sipako ô
Tsy hampirafy intsony aho vadiko malalako ô
Tsy hanambany intsony aho valibeko ô
Tsy hiteniteny ratsy anao intsony aho rafozako ô

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : FELANIARY
Mpamaky : 199
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 13/03/2017 02:01:46
ID : 9231

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo