Hanalazy (FELANIARY)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : FELANIARY
Mpamaky : 932
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 08/08/2002 08:36:02
ID : 865

Imprimer Facebook Facebook
Tsara ny andro androany ny masoandro mibaliaka
Nefa ianao toa malaindaina, maloka tsy misariaka
Avalony any aloha ny fiainana mandreraka
Ajanony any izany fa andao hiaraka aminay

Hiara-hihira isika hivazo sy handihy
Ento izay namanao hafanaintsika ity andro ity
Ka na hilentika aza io masoandro io, aza kivy
Fa hotohizantsika mandra-maraina ny mozika

Andao
Ndao hiaraka hilalao
Manasa anao izahay hivazovazo
Andao
Ndao hiaraka hilalao
Manasa anao izahay hivazovazo

Ka ny hira sy mozika
No hameno ny fiainantsika
Hanalana sorisory ireo zava-mampahoryHiara-hihira isika hivazo sy handihy
Ento izay namanao hafanaintsika ity andro ity
Ka na hilentika aza io masoandro io, aza kivy
Fa hotohizantsika mandra-maraina ny mozika


Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo