You are here: home > Tononkira > FELANIARY

Feno Fitia (FELANIARY)

Raha vao miposaka ny masoandro
Ny tsikinao no mambabo ny fo
Dia lasa mihiratra ny tontolo andro
Ny sarinao no mameno ny loha

Ny badabadanao Dada sy Neny
NY topimasonao feno fitia
Na ny tomaninao ombieny ombieny
Lasa hery mitsinjo ny dia

Isaorako ilay Tsiky dia ampyRay ao ambony ao
Ny nanomezany anao toy izao
Ka ny vavaka rehetra atao
Tsy lisy afa-tsy ho anao
Ka ny vavaka rehetra atao
Tsy misy afa-tsy ho anao

Na marina aza fa hoe fitsapana
Fakam-panahy no miandry anao ety
Izahay matoky f’ianao sombiniaina
Hanoa hatrany ilay Ray be fitia

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : FELANIARY
Mpamaky : 3415
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 11/09/2002 13:05:34
ID : 988

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo