You are here: home > Tononkira > FELANIARY

Andao hilalao (FELANIARY)

Raha tianao dia andao hilalao
Aza asiana resaka fihafahafana na fisalasalana
Fa fetinao koa ny andro androany aza asianao olana izany
Izay nanelingelina tany avelao aloha ho any

Raha tianao dia hoentiko ianao andeha handihy
Hotohizantsika mandra-maraina ity fetintsika ity
Izay miavonavona tsy te ho any aza asianao olana izany
Rehefa mahita antsika sy ianao mandihy ve izy tsy ho tonga aty

Dia hiafy foana ve, dia tsy hivelatra ianao
Hijaly foana ve, dia izay tiany no atao
Izay indray mandeha ianao no mba manao izay tianao atao

Andao ary e – andao ary e
Andao ary e – andao ary e
Aza menamenatra ianao fa izaho anilanao
Andao ary e – andao ary e
Andao ary e – andao ary e
Tsy izay tiany foatononkira.serasera.orgna no atao

Tsy izay tiany foana no atao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : FELANIARY
Mpamaky : 2240
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 24/03/2003 13:20:42
ID : 1550

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo