Vontosy (Fehizoron'i Ziona (FZ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vontosy ny filazantsara
Vontosy I Madagasikara
Andeha re hiara-misalahy
Mba hitori-teny hamonjy rahalahy ô!
Zay mitanatana vava
Miandry ahy sy anao re ka tongava
Hitarika azy handray an’I Jesoa
Mba ho Tompo sy Mpamonjy koa
Ka vontosy filazantsara
Vontosy I Madagasikara
Mba tsy ho nenina re ao afara

Iza re no mba mazoto ? (lazao)
Iza re no mba hitady ? (lazao)
Ireo zay mitalaho
Miantsoantso sy miangavy
Dieny izao taomy ireo ka ilazao hoe :
Anio dia anio Jesoa no fidio
Mba hanapaka tanteraka eo amin’ny fiainanao
Tapaho hatreo ny lasa f’aleo
Mizotra amin’ny lalan-tsara itondrany anao
Jesoa hatrany, Baiboly ihany
No misy teny manambara sy ahitana izany
Baiboly zaraina, Jesoa hindraindraina
Fa kristianina mandray andraikitra no ilaina
Avoty ireo ny laina reseo
Jesoa Kapiteny tsara Izy no jereo
Avoty ireo rahalahy ireo
Aza dia avela hijaly sy hitoreo

Vontosy, Vontosy, Vontosy, Vontosy
Aoka ianao tsy ho mpijery fa mandraisa anjara
Vontosy, Vontosy, Vontosy, Vontosy
Vontosy ny Filazantsara Madagasikara
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fehizoron'i Ziona (FZ)
Vangy : 1256
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : pusseauboy
Daty : 11/04/2017 18:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0713