Ny fahasambaran'ny Fo (Fehizoron'i Ziona (FZ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fahasambaran’ny fo
Feno toky paradisa soa
No iainako hatrizay nandraisako
An’ I Jesoa ho Tompoko

Ny aizimbe izay nanarona ny fiainako
Dia levona nisolo hazavana soa
Mamiratra fatratra tokoa
Ny ampitso sy ny hoaviko

Andramonao jesoa,
tadiavonao jesoa
Fa ho hitanao tokoa
‘Zany fiadanam-po, fiainantsoa

Ny fahasambaran’ny fo
Feno toky paradisa soa
No iainako hatrizay nandraisako
An ’I Jesoa ho Tompoko
Mamiratra fatratra tokoa
Ny ampitso sy ny hoaviko
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fehizoron'i Ziona (FZ)
Vangy : 995
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : pusseauboy
Daty : 12/04/2017 17:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4229