Ampitomboy (Fehizoron'i Ziona (FZ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Maty ilay notompoina Jesoa ‘lay novonoina
Menatra natahotra ‘reo mpianatra
Nihidy an-trano mafy, ory sy nitomany
Moa ve tsy fombantsika koa izany?
Kely finoana isika raha tojo ady sarotra
Tsy mahazaka eso latsa
Kanefa miseho ho tena ho mpivavaka mahafatra-po
Jesoa, Jesoa, ampitomboy ny finoanay

2. Jesoa ‘lay tompontsika nitsangana tamin’ny maty
Nisalasala indray ingahy Tomasy
Raha tsy nitsapatsapa tsy nino ilay Mpanjaka
Moa ve tsy fombantsika koa izany?
Ny zavatra hita maso no indraindraina ety
Manjary adino ny antso
Kanefa sambatra izay tsy nahita nefa nino
Jesoa, Jesoa, ampitomboy ny finoanay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fehizoron'i Ziona (FZ)
Vangy : 1656
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : pusseauboy
Daty : 11/04/2017 18:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735