SAFIDINAO SY FANIRIAKO (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Soa fa teo Jesosy Kristy
Izay nanova ny hevitro
Hay mbola misy antenaiko
Hanavotana ny aiko

Tsy mba takatry ny saiko
Fa safidinao Ray ka hajaiko
Fantatro ny miandry ahy
Nefa ianao no Ray Mpiahy

Raha ny heriko dia tsy ampy
Fa ianao no hanampy
Iriko ny ho mpanompo sahy
Vonona aho ho lehilahy (vehivavy)

Ray ô fantatro ny ato am-poko
Raha sitrakao mba avelao ny hadisoako (1)
Ampitomboy re ny finoako (2)
Mba avelao aho handroso (3)
Tiako ny hanarina toy ireo zanakao
Anao aho vonona ny ho mpanomponao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEFI
Vangy : 897
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mbahoirayihanyizyrehetra
Daty : 12/10/2015 13:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725