Ny miankina aminao (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Indro apetraka aminao
Ny fiainan-janakao
Tsy mba manana safidy Tompo o!
Fa maniry indrindra anao
Maro ny ady atrehinay
’Zay tsy maintsy hosedrainay
Mbola nofo ka malemy Tompo o!
Ka tafio ny herinao


Ref: Fa raha izao fiainana izao
No tsy miankina aminao
Dia ho zava-poana ihany Tompo o!
Feno sento sy tomany
Mbola ho levona avokoa
Zao rehetra hita izao
Fa ny zava-tsy ho lo ry Tompo o!
Ny miankina aminao


2. Taminao dia taminao
No nahitam-pamonjena
Sitra-po tsy noterena Tompo o!
Ny avotr’aina vitanao
Raha ny ota izay natao
Tsisy miafina aminao
Fa ny fahasoavanao ry Tompo o!
No nahatoy izao ahy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEFI
Vangy : 9904
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 20/11/2006 07:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2262