Tsy mankaleo (album2) (Farakely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa ela no naniriko anao,ny ahita anao
Ho eo akaikinao aho hitoetra tsy hiala,tsy hiala
Efa ela no naniriko anao ny fitiavanao
Ho ahy manontolo tsy mizarazara Oe ianao malala

fiverenana:
Tsy mankaleo ahy ,ny mahita anao eo anilako eo
Tena mahafaly ahy,ny endrikao sariaka miampy angolam-peo
Tsy te hiala eto aho,satriko hiazonana ny tananao
sambatsambatra aho topazan'ny masonao
Mifikitra eo an-tratranao oe ahy anao

Satriko ny ora tsy hikisaka intsony ,ny andro ho tony
Ho eo akaikinao aho hitoetra tsy hiala,tsy hiala
Tiako raha mba ahy irery ny fo
Ho ahy manontolo tsy hizarazara oe ianao Malala!

fiverenana:
Tsy mankaleo ahy ,ny mahita anao eo anilako eo
Tena mahafaly ahy , ny endrikao sariaka miampy angolam-peo
Tsy te hiala eto aho satriko hiazona ny tananao
sambatsambatra aho topazan'ny masonao
mpiifikitra eo an-tratranao oe ahy ianao

Matimaty aho mahita anao
Toa manonofy aho lazaiko izao
Hatrizay oe ianao tsy ho leo ahy

fiverenana: ...

oe ahy ianao!
oe ahy ianao
OE AHY IANAO!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Farakely
Vangy : 1536
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : faraandrianintsoa
Daty : 11/06/2019 10:21
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2774