Tonga soa (Farakely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iny ianao zao indray vao hita
Tonga soa avy any am-pita
Nikaroka nanovo soa
Olom-banona tokoa

Ela nifandao isika
Ela tsy nifankahita
Iny ianao mitondra aina
Tsiky sy fanantenana

Izany hafaliana eto anilanao ry Tiana
Feno ery ny fo tratra avokoa izay niriana

fiverenana:
eh! Ny hiram-pifaliana,No hitsenana anao ry Tiana
Hirahiram-pifaliana, fa tojo ho avy tsara rindra
eh,eh! Ny hiram-pifaliana ,No hitsenana anao ry Tiana
Hirahiram-pifaliana, Fa tojo ho avy tsara rindra

Ravo ery mandray anao
Olom-banona toy izao
Olon-kendry sy to teny
Nandray ireo ana-dRay sy Reny

Izany hafaliana eto anilanao ry Tiana
Feno ery ny fo, tratra avokoa izay niriana

fiverenana:
eh! Ny hiram-pifaliana, No hitsenana anao ry Tiana
Hirahiram-pifaliana, Fa tojo ho avy tsara rindra
eh,eh! Ny hiram-pifaliana,No hitsenana anao ry Tiana
Hirahiram-pifaliana, Fa tojo ho avy tsara rindra

izany hafaliana,eto anilanao ry Tiana
Feno ery fo,Tratra avokoa izay niriana
eh! Ny hiram-pifaliana,(fa indro ianao ry tiana) No hitsenana anao ry Tiana (hitondra fifaliana)
Hirahiram-pifaliana,(tonga ianao fanantenana) Fa tojo ho avy tsara rindra
eh,eh! Ny hiram-pifaliana (hirahiram-pifaliana), No hitsenana anao ry Tiana (no hitsenana anao ry Tiana)
Hirahiram-pifaliana Fa tojo ho avy tsara rindra
faly mahita anao,faly mandray anao TONGASOA EH!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Farakely
Vangy : 919
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : faraandrianintsoa
Daty : 03/06/2019 12:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1061