Saotra (Farakely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Feno saotra ity foko mahatsiaro ireo rehetra nomena ahy
Zava_tsoa isanandro tsy haiko tanisaina izay hiainana
Ataoko aona ny angina mahatsapa ireo fitia manodidina ahy
Izao tontolo iainantsika dia fanomezana fahasoavana

Na ireo zava-tsoa nafafiny na ireo niriko ka nolaviny
Navela mba hiseho anoako mahasoa ireo
Na ianareo mameno ity fo Ray sy Reny,Zoky,Namako
Izao rehetra izao hankasitrahako anao

Feno saotra velon'aina nomena tombon'andro hafa indray
Feno hery hisitraka ireo tontolo nohariana hivelomana

Na ity andro soa miposaka, Ny zava-boahary manodidina
Ny amintsika rehetra fitiavana tsy misy fetra

Mbola saotra no hasetriko ireo sedra nampiainana ahy
Indraindray mila tsy ho tanty mandratra nefa ...
Nozakaina
Haiko anefa fa nao ireny hanitsiana ny diako
Tsapako mba hiatrehana ilay ho avy manjavozavo

Ny fiainana izay nomena ahy
Na ny soa na ny ratsy dia fantatro fa tendrin'ilay RAY
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Farakely
Vangy : 969
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : faraandrianintsoa
Daty : 03/06/2019 11:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725