Saingy tiana ve (Fanja Andriamanantena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Saingy tiana ve
No antsoina tsy mamaly
O mba mijere
Iantrao ity fo tomany
Maniry ny ho tiana
Hamerina ireo dina
Mba lalovy re
Na dia hoe, na dia hoe
Anio ihany.

Ireo molotrao sy ny tsikiny fahiny
Ny feonao izay manako ankehitriny
Tsaroako ireo
Fa nitondra hafaliana ho ahy
Kanefa izao
Zary ratrako am-panahy

Dify ny masoandro
Lasa koa ianao
Saingy tiana ve
No antsoina tsy mandre
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fanja Andriamanantena
Vangy : 4176
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Heriniaina
Daty : 24/02/2002 09:34
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123