Navadiko ny pejy (Fanja Andriamanantena)


Navadiko ny pejy fa mbola ianao no hitako,
Ny manadino anao mihitsy no tsy vitako
Manahy mafy aza aho indraindray
Fa mbola hamatotra ahy ny alaheloko anao.

Nivadika ny taona fa mbola ianao no mamiko
Ny manadino anao mihitstononkira.serasera.orgy no tsy laniko
Manahy mafy aza aho indraindray
Fa handoro mahamay ny alaheloko anao

Ka na inona na inona atao
Dia mifikitra ao an-dohako
Ny alaheloko anao
Ny anaranao
Tsy mety voafafa
Na asoloko hafa
Ny anaranao
Ny alaheloko anao
Ny alaheloko anao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Fanja Andriamanantena
Mpamaky : 252
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 07/10/2017 11:50:39
ID : 10047

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo