Mpivahiny (Fanja Andriamanantena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsaroako fa banga ny toeranao
Ry mpivahiny niserana nandao
Ireo sakaiza tia anao, malahelo nilaozanao
Vetivety dia injao fa vita sary ny endrikao

Fahatsiarovana mivetso ny andro lasa
Mahatorovana ny saina mahatsiahy
Mpivahiny miverena
Sao mba renao izao antso izao
Malahelo ireo sakaiza nilaozanao

Kaloy izao hirako izao
Henoy fa natokako ho anao
Solontenako mitafa aminao
Indray andro any, antenao manomboka eo
Fa mbola hihaona eto ihany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fanja Andriamanantena
Vangy : 5106
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Heriniaina
Daty : 24/02/2002 09:40
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1592