Indray mandeha monja (Fanja Andriamanantena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indray mandeha monja fa tena nafonja
Ilay resakao tafalentika, latsa-paka ao am-poko ao
Teny mahasoa tsy mba kitoatoa, tenin’olontiana
Ny anatranatrao tafapaka ao an-tsaiko ao

Betsaka tsy ritra ireo ditra manavanana ahy
Ka tsy tantinao ny mijery ahy mivarina an-kady
Tsy miady
Izaho bedesinao fa tianao ho tonga lafatra
Ka hiverina indray ilay izaho nahazatra anao taloha
Efa elabe

Efa betsaka ireo resaka fananarana
F’ireo teninao mandòna mafy ao am-poko ao
Ka hiezaka aho hankatò anao manomboka izao
Isaorako anao izay ho fiainako vaovao

Izaho bedesinao fa tianao ho tonga lafatra
Ka hiverina indray ilay izaho nahazatra anao taloha
Efa elabe
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fanja Andriamanantena
Vangy : 2404
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 05/06/2014 15:28
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117