Feo roa (Fanja Andriamanantena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho inontsika moa ny andro zay mandalo
Raha ny rivotra mifafy no tsy hitondra kalo
Hanambatra ny nofy ho tonga hasambarana
Ho ankafizintsika ka tsy hisy fitsaharana

Ho inontsika moa ny ampitso raha mivazo
Raha ho maina dieny izao ireto voninkazo
Izay notiavintsika ka lasa namololona
Tsara kolokolo ka tsiriritin’olona

Fa ianao no amiko, izaho no aminao
Isika no miaraka mozika tsotr’izao
Fa tonony sy feo tsy mahay misaraka
Na tsiky na tomany no miraraka

Ho inontsika moa ny andon’ny maraina
Raha mitampify hatrany ny kalo zay hiraina
Fa ianao no amiko, izaho no aminao
Isika no miaraka mozika tsotr’izao

Fa ianao no amiko, izaho no aminao
Isika no miaraka mozika tsotr’izao
Fa tonony sy feo tsy mahay misaraka
Mahavelon’aina ny hira izay hiraina o o

Fa ianao no amiko, izaho no aminao
A a a a a a a a a a a, o
Fa tonony sy feo mampiray ny fo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fanja Andriamanantena
Vangy : 6645
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tokynat
Daty : 29/10/2009 13:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6298