Lasanao (Faniry R)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nokasaiko, nandraindraiko
Fony mbola zaza ny saiko
Hoavy ho tsara
Raha tantaram-pitia
Fitiavana feno hasambarana

Efa sasatra niandry aho
Tsy nanantena anao
Anio efa fandresena
Haiko fa tia ahy ianao

Malala ah...
Lasanao tanteraka ny foko
Malala ah...
Ny fitiavako anao, tsy atakalo tsy ho soloiko
Malala ah...
Lasanao tanteraka ny foko
Malala ah...
Hahasambatra anao dia
Omeko anao avokoa izay momba ahy

Lazaiko anao ambarako anao
Raha ny ato am-poko tsy hatao
Te hilalao ireo sangim-pitia
Ireo izay nekentsika fa ho doria

Efa sasatra niandry aho
Tsy nanantena anao
Anio efa fandresena
Haiko fa tia ahy ianao

Malala a...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Faniry R
Vangy : 1466
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 28/05/2019 22:45
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1908